Tous nos voeux...  en carte postale c'est cool !

 

 Ho any dahoulou... dahoulou !
... et que l'année 2004 nous apporte Joie, Bonheur et Santé à  toute notre famille et à  tous nos amis.
Mirary soa  sy Fety sambatra ho  antsika rehetra.
  vue  sur   Rainizafimanga.com
J-2        20.000 points en janvier 2004

KRISMASY  1965

Tamin’izay fotoana izay,

Asa loatra ity nitaratra

Fa nisy aloka anankiray,

nampikotroka ny varatra ?

Dia nikimpy teo tsy nahy

‘lay masoandro nantenaiko,

ka’zany foko sy fanahy

sady very no tsy haiko.

Dia nanjary niova bika

Ny tontolo izay jerena,

Ka tomany no nandriaka,

Tsy mba tojo famonjena.

Dia alahelo no nitaona

‘ty mba datim-pifaliana,

ka ny foko no nisaona

tao anaty fahakiviana.

Veloma teo ilay reny

Nandrasako ny hikalo,

Kinanjo vao mba teny,

Dia ny andro no nimalo.

Veloma teo ilay afo

Nataoko ny hanafana,

Kinanjo vao ny hisafo

Dia indro fa tsy tana.

Anarany mba Noely

Ny andro tamin’izay,

Kanefa tsy tantely

No nifafy sy voaray.

Anarany Krismasy,

Ry olona eto an-tany,

Kanefa dia nangasy,

Sady ory,nitomany.

Fredy JAOFERA

 
 

Accueil Voeux